FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:20, 21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Dia nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin’ny sabatra,+ ka lasa nanompo azy+ sy ny taranany, mandra-pahatongan’ny fotoana nitondran’ny fanjakan’i Persa.+ 21 Nitranga izany mba ho tanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.+ Tsy nisy mponina intsony ilay tany, raha tsy efa voaonitra ireo sabata tsy notandreman’izy ireo.+ Dia niala sasatra ilay tany mandra-pahatapitry ny 70 taona.+

  • Daniela 9:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 tamin’ny taona voalohany nanjakany, dia nandinika an’izay voalaza ao amin’ny boky* izaho Daniela. Lasa fantatro ny isan’ny taona haharava an’i Jerosalema,+ izay efa nolazain’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany. Fantatro àry fa 70 taona izany.+

  • Zakaria 1:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia hoy ilay anjelin’i Jehovah: “Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô! Mandra-pahoviana ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda,+ izay nahatezitra anao nandritra izay 70 taona izay?”+

  • Zakaria 7:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Lazao amin’ny olona rehetra eto amin’ity tany ity sy amin’ny mpisorona, hoe: ‘Nifady hanina sy nidradradradra ianareo tamin’ny volana fahadimy sy fahafito,+ nandritra ny 70 taona.+ Noho izaho tokoa ve anefa no nahatonga anareo hifady hanina tamin’ireny?

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara