-
2 Tantara 36:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin’ny sabatra,+ ka lasa nanompo azy+ sy ny taranany, mandra-pahatongan’ny fotoana nitondran’ny fanjakan’i Persa.+ 21 Nitranga izany mba ho tanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.+ Tsy nisy mponina intsony ilay tany, raha tsy efa voaonitra ireo sabata tsy notandreman’izy ireo.+ Dia niala sasatra ilay tany mandra-pahatapitry ny 70 taona.+
-
-
Jeremia 25:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka hanjary hampihorohoro. Ary hanompo an’ilay mpanjakan’i Babylona mandritra ny 70 taona+ ireo firenena ireo.”’
12 “‘Rehefa tapitra anefa ny 70 taona,+ dia hataoko ampamoaka* ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany noho ny fahadisoany’,+ hoy i Jehovah. ‘Ary hataoko tsy misy mponina sy ngazana mandrakizay ny tanin’ny Kaldeanina.+
-