-
Nehemia 13:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tamin’izany fotoana izany no nahitako olona nanitsakitsaka voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy, tamin’ny andro sabata.+ Nisy koa tamin’izany nitondra varimbazaha miavosa dia natainginy teo ambony ampondra. Nisy indray nitondra divay sy voaloboka sy aviavy ary izao karazana entana rehetra izao, dia nitondra an’izany tao Jerosalema tamin’ny andro sabata.+ Nampitandrina azy ireo àry aho mba tsy hivarotra amin’io andro io.*
-
-
Isaia 56:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Sambatra ny olona manao an’izany,
Sy ny zanak’olombelona mifikitra mafy amin’izany,
Sady mitandrina sy tsy manazimbazimba ny Sabata,+
Ary mifehy ny tanany tsy hanao ratsy mihitsy.
-
-
Jeremia 17:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Izao no lazain’i Jehovah: “Mitandrema mba tsy hitondra entana amin’ny andro sabata, na hampiditra an’izany eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema.+
-