-
Deoteronomia 5:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “‘Tandremo ny andro sabata mba ho masina foana io andro io, araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 13 Enina andro ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra.+ 14 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Aza manao asa na inona na inona,+ na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao an-tanànanao.*+ Amin’izay dia ho afaka hiala sasatra hoatr’anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.+
-