-
Eksodosy 29:42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka atao eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’i Jehovah, dia eo amin’izay hisehoako aminareo sy hitenenako aminao.+
-
-
Isaia 56:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy,
Sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah,+
Ary mba ho mpanompony,
Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy,
Sady mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,
7 Dia hoentiko any amin’ny tendrombohitro masina+ koa,
Ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.
Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako.
Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+
-