-
Amosa 9:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 ‘Amin’izany andro izany, dia hatsangako ny trano rantsankazon’i* Davida+ izay efa nirodana,
Ary hotampenako izay gorobaka.*
Haveriko amin’ny laoniny izay sisa tsy rava tamin’ilay izy.
Hamboariko indray ilay izy dia ho lasa hoatran’ny taloha,+
12 Amin’izay mba ho azony alaina ny sisa tavela amin’i Edoma,+
Sy ny firenena rehetra izay antsoina amin’ny anarako’, hoy i Jehovah, izay hanao an’izany.
-
-
Obadia 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia ho lasa afo ny taranak’i Jakoba,
Ho lelafo ny taranak’i Josefa,
Ary ho vodivary kosa ny taranak’i Esao.
Hodoran’izy ireo sy holevoniny ny taranak’i Esao,
Ka tsy hisy ho velona intsony,+
Fa i Jehovah no efa niteny.
-