FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 9:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Fa misy zaza teraka ho antsika,+

      Zazalahy no homena antsika,

      Ary ho eo am-pelatanany* ny fahefana.*+

      Ny anarany hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga,+ Andriamanitra Mahery,+ Ray Mandrakizay, Andrianan’ny Fiadanana.

       7 Hitombo foana ny fahefany,* ka tsy hifarana mihitsy izany.

      Tsy hisy farany koa ny fiadanana+

      Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany.

      Ho mafy orina+ izy io,

      Ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampaharitra azy,

      Manomboka izao ka ho mandrakizay.

      Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka an’izany.

  • Isaia 16:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Hatao mafy orina ny seza fiandrianana,

      Dia ho be fitiavana sy tsy hivadika ary ho mendri-pitokisana ilay mpanjaka hipetraka eo, ao amin’ny tranolain’i Davida.+

      Hitsara araka ny rariny izy, ary hampihariny haingana izay mahitsy.”+

  • Jeremia 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hampipoirako tsimoka* marina+ ho an’i Davida. Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+

  • Ezekiela 37:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Zakaria 12:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ho fiarovana manodidina ny mponin’i Jerosalema i Jehovah,+ amin’izany andro izany. Ary izay tafintohina* dia ho lasa hoatran’i Davida, amin’izany andro izany. Ny taranak’i Davida kosa hitovy amin’Andriamanitra, hitovy amin’ilay anjelin’i Jehovah izay mandeha eo alohany.+

  • Lioka 1:31-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara