Isaia 21:2 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 2 Nisy fahitana mahakivy naseho tamiko: Mivadika ny mpivadika,Ary mandringana ny mpandringana. Miakara, ry Elama! Manaova fahirano, ry Media!+ Hatsahatro daholo ny fisentoana vokatry ny nataony.+ Jeremia 50:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Fa hiantso firenena lehibe maromaro avy any avaratra+ ahoMba hanafika an’i Babylona. Hilahatra hiady aminy izy ireny,Ka avy any no hahazoany azy. Ny zana-tsipìkan’izy ireny, dia toy ny an’ny miaramilaIzay mahatonga ny ray aman-dreny hamoy ny zanany.+Tsy miverim-potsiny izy ireny. Jeremia 51:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 “Ataovy maranitra ny zana-tsipìka.+ Raiso ny ampinga boribory.* Nentanin’i Jehovah ireo mpanjakan’ny Medianina,+Satria mikasa handrava an’i Babylona Izy. Fa hamaly ny nataony i Jehovah, dia ny nandravana ny tempoliny. Daniela 5:30, 31 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 30 Tamin’iny alina iny ihany dia novonoina i Belsazara mpanjakan’ny Kaldeanina.+ 31 Ary i Dariosy+ Medianina no nandray ny fanjakana, tamin’izy 62 taona teo ho eo.
2 Nisy fahitana mahakivy naseho tamiko: Mivadika ny mpivadika,Ary mandringana ny mpandringana. Miakara, ry Elama! Manaova fahirano, ry Media!+ Hatsahatro daholo ny fisentoana vokatry ny nataony.+
9 Fa hiantso firenena lehibe maromaro avy any avaratra+ ahoMba hanafika an’i Babylona. Hilahatra hiady aminy izy ireny,Ka avy any no hahazoany azy. Ny zana-tsipìkan’izy ireny, dia toy ny an’ny miaramilaIzay mahatonga ny ray aman-dreny hamoy ny zanany.+Tsy miverim-potsiny izy ireny.
11 “Ataovy maranitra ny zana-tsipìka.+ Raiso ny ampinga boribory.* Nentanin’i Jehovah ireo mpanjakan’ny Medianina,+Satria mikasa handrava an’i Babylona Izy. Fa hamaly ny nataony i Jehovah, dia ny nandravana ny tempoliny.
30 Tamin’iny alina iny ihany dia novonoina i Belsazara mpanjakan’ny Kaldeanina.+ 31 Ary i Dariosy+ Medianina no nandray ny fanjakana, tamin’izy 62 taona teo ho eo.