-
Isaia 5:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Manana harpa sy zavamaneno fitendry,
Sy ampongatapaka sy sodina ary divay izy ireo ao amin’ny fanasany,
Kanefa tsy raharahiany ny zavatra ataon’i Jehovah,
Ary tsy hitany ny asan’ny tanany.
-
-
Isaia 56:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Avia, fa haka divay aho.
Andao hisotro toaka mandra-pahamamo.+
Mbola ho toy ny androany ihany ny rahampitso, ary mbola ho tsara lavitra mihitsy aza.”
-
-
Amosa 6:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Matory eo ambony fandriana ivoara ianareo+ ary mitsilailay eo amin’ny seza lava,+
Sady mihinana vantotr’ondrilahy avy amin’ny andiany, sy zanak’omby* mifahy.+
-
Jakoba 5:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Tena miadana ianareo, ary manaram-po manao izay tianareo eto an-tany. Ny fonareo dia hoatran’ny biby hatavezina mandra-pahatongan’ny andro hamonoana azy.+
-
-
-