FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 16:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hifaly mandritra ny fety+ ianao sy ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita, ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena ao an-tanànanao.

  • Salamo 42:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Mahatsiaro ny lasa aho, ka avoakako daholo ny ato am-poko.*

      Niara-dia tamin’ny maro mantsy aho taloha;

      Fanaoko ny nandeha moramora* teo alohan’ny vahoaka, nankany an-tranon’Andriamanitra.

      Nihorakoraka sy falifaly ary nisaotra an’Andriamanitra izahay.

      Vahoaka be nanao fety+ izahay, tamin’izany.

  • Jeremia 33:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Eto amin’ity toerana lazainareo hoe ngazana tsy misy olona na biby fiompy ity, izany hoe ao amin’ireo tanànan’i Joda sy ny lalan’i Jerosalema izay tsy misy olona na mponina na biby fiompy, dia mbola handrenesana 11 feon’olona mifaly sy miravoravo,+ feona mpampakatra sy ampakarina, ary feon’ireo olona milaza hoe: “Misaora an’i Jehovah Tompon’ny tafika fa tsara+ i Jehovah. Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay!”’+

      “‘Hitondra fanatitra fisaorana ao an-tranon’i Jehovah+ izy ireo, satria hampodiko izay mponin’ity tany ity lasa babo ka ho lasa toy ny taloha izy ireo’, hoy i Jehovah.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara