-
2 Tantara 32:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Dia naniraka anjely i Jehovah, ka novonoiny daholo ny miaramila matanjaka+ sy ny mpitarika ary ny lehiben’ny miaramila tao an-tobin’ny mpanjakan’i Asyria. Dia nody tany amin’ny taniny ny mpanjakan’i Asyria sady afa-baraka. Tatỳ aoriana, dia niditra tao an-tranon’ny* andriamaniny izy, ary tao ny zanany sasany no namono azy tamin’ny sabatra.+
-
-
Isaia 37:37, 38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Dia lasa niverina tany Ninive+ i Sankeriba mpanjakan’i Asyria ary nijanona tany.+ 38 Ary namono azy tamin’ny sabatra+ i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy, tamin’izy niankohoka tao amin’ny tranon’i* Nisroka andriamaniny. Dia nandositra tany Ararata+ izy roa lahy. Ary i Esara-hadona+ zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
-