-
Josoa 10:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Dia niala tao Makeda i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nankany Libna ary niady taminy.+ 30 Nataon’i Jehovah resin’ny Israely koa i Libna sy ny mpanjakany.+ Nasian’izy ireo tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Hoatran’ny nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko ihany no nataony tamin’ny mpanjakan’i Libna.+
-
-
2 Mpanjaka 8:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Mbola mikomy amin’ny Joda anefa i Edoma hatramin’izao. Nikomy koa ny tanànan’i Libna+ tamin’izany fotoana izany.
-
-
2 Mpanjaka 19:8-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Henon’ilay Rabsake fa efa niala tany Lakisy+ ny mpanjakan’i Asyria. Dia niverina tany amin’ny mpanjaka izy ka nahita azy niady tamin’i Libna.+ 9 Ary nisy niteny tamin’ny mpanjaka hoe nivoaka hiady aminy i Tiraka mpanjakan’i Etiopia. Naniraka olona+ nankany amin’i Hezekia indray àry izy, sady niteny hoe: 10 “Izao no holazainareo amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda: ‘Aza manaiky hofitahin’ilay Andriamanitrao izay itokisanao ka hiteny hoe: “Tsy ho resin’ny mpanjakan’i Asyria i Jerosalema.”+ 11 Efa henonao ny nataon’ireo mpanjakan’i Asyria, dia ny nandravany ny tany rehetra.+ Dia ianao irery ve no ho voavonjy? 12 Tamin’ireny firenena naringan’ny razambeko ireny, mba nisy nahavita namonjy azy angaha ny andriamaniny? Aiza izao i Gozana sy Harana+ sy Rezefa ary ny mponin’i Edena tao Tela-asara? 13 Dia aiza ny mpanjakan’i Hamata, ny mpanjakan’i Arpada, ny mpanjakan’ny tanànan’i Sefarvaima, ary ny mpanjakan’i Hena sy Iva?’”+
-