FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 19:14-19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Nalain’i Hezekia teny an-tanan’ireo iraka ny taratasy ka novakiny. Dia niakatra tao an-tranon’i Jehovah izy avy eo, ka namelatra an’ireny* teo anatrehan’i Jehovah.+ 15 Ary nivavaka+ teo anatrehan’i Jehovah i Hezekia hoe: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô! Mipetraka eo amin’ny seza fiandriananao eo ambonin’ny* kerobima+ ianao. Ianao irery no tena Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany.+ Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Jehovah ô, aoka ianao mba hanongilan-tsofina ka hihaino!+ Mba sokafy ny masonao,+ Jehovah ô, ka mijere! Henoy ny teny nampitondrain’i Sankeriba, fa mila ady amin’ilay Andriamanitra velona izy. 17 Jehovah ô, efa noravan’ireo mpanjakan’i Asyria tokoa ireo firenena sy ny taniny.+ 18 Ary nodorany ny andriamanitr’izy ireny, satria tsy andriamanitra+ fa vato aman-kazo sady asa tanan’olona+ ihany. Izany no nahatonga azy ireo ho afaka namotika an’ireny. 19 Fa mba vonjeo eo an-tanany re izahay izao, ry Jehovah Andriamanitray ô! Amin’izay dia ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany, Jehovah ô, fa ianao irery ihany no Andriamanitra.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara