FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 40:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Manamboatra sampy* ny mpanao asa tanana,

      Ary mametaka takela-bolamena+ eo amin’ilay izy ny mpanefy,

      Sady manefy rojo volafotsy.

  • Isaia 41:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Ny mpanao asa tanana dia mampahery ny mpanefy.+

      Ilay manafisaka vy amin’ny marotoa kosa

      Mampahery an’ilay mively eo amin’ny riandriana.*

      Hoy izy: “Mitambatra tsara izy izany!”

      Dia fantsihana ilay sampy avy eo mba tsy hitongilangilana.

  • Jeremia 10:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Fa fitaka* ny fanaon’ireo firenena.

      Hazo nokapaina tany an’ala fotsiny ilay izy,

      Dia namboarin’ny mpanao asa tanana tamin’ny fitaovany.*+

  • Hosea 8:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Fa avy tamin’ny Israely ilay zanak’ombin’i Samaria.

      Mpanao asa tanana no nanao azy, ka tsy Andriamanitra izy io,

      Dia hopotipotehina.

  • Asan’ny Apostoly 17:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Koa satria zanak’Andriamanitra* isika,+ dia tsy tokony hieritreritra an’Andriamanitra ho toy ny zavatra vita amin’ny volamena na volafotsy na vato, na hoatran’ny sary sokitra noforonin’ny olombelona sy niangaliany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara