-
2 Mpanjaka 24:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Tonga teo amin’ilay tanàna i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, raha mbola nanao fahirano azy io ny mpanompony.
-
-
2 Tantara 36:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ny andrianany.+
-
-
Daniela 1:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nataony fahirano ilay tanàna.+ 2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+
-