-
Ezekiela 8:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao, azafady!” Dia natopiko nianavaratra ny masoko, ka hitako teo avaratr’ilay vavahady mankeo amin’ny alitara, teo amin’ny fidirana, ilay sampy* mahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro. 6 Dia hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, hitanao ve io zavatra mahatsiravina sy maharikoriko ataon’ny taranak’Israely eto io,+ ka mahatonga ahy hanalavitra ny toerako masina?+ Hahita zavatra hafa maharikoriko sady mbola mahatsiravina kokoa anefa ianao.”
-