FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 28:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Diso lalana izy ireny noho ny divay,

      Ary lasa mivembena noho ny toaka.

      Diso lalana ny mpisorona sy ny mpaminany noho ny toaka,

      Ary tsy misaina tsara izy ireo noho ny divay,

      Sady mivembena noho ny toaka.

      Diso lalana izy ireo noho ny fahitana hitany,

      Ka tsy mahay manapa-kevitra tsara intsony.+

  • Jeremia 5:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Maminany lainga ny mpaminany,+

      Ary manampatra fahefana ny mpisorona.

      Dia tian’ny vahoakako erỳ izany!+

      Koa ahoana no hataonareo rehefa tonga ny farany?”

  • Jeremia 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Samy maka tombony azo amin’ny tsy marina+ ny olona, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

      Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+

  • Ezekiela 22:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Miray tetika ny mpaminany ao aminao,+ hoatran’ny liona mierona sady mamiravira remby.+ Mihinana olona izy ireo, dia maka an-keriny harena sy zava-tsarobidy. Lasa be dia be ny vehivavy maty vady ao aminao noho ny nataon’izy ireo.

  • Zefania 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Sahisahy ratsy ny mpaminaniny, sady mpamadika.+

      Mandoto zava-masina ny mpisorony,+

      Sady tsy miraharaha lalàna.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara