-
Jeremia 2:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tsy mba nanontany akory ny mpisorona hoe: ‘Aiza i Jehovah?’+
-
-
Jeremia 8:10-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Koa homeko ho an’olon-kafa ny vadiny,
Ary ny sahany ho lasan’olona,+
Satria samy maka tombony azo amin’ny tsy marina+ izy ireo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+
11 Miezaka manasitrana ny ratran’ny* zanakavavin’ny fireneko izy ireo nefa ataony zara fa vita izany, ka hoy izy ireo:
“Fiadanana! Fiadanana!”
Nefa tsy misy fiadanana akory.+
12 Mba menatra ve izy ireo noho ny zavatra maharikoriko ataony?
Tsy menatra mihitsy izy ireo.
Tsy hainy akory na dia ny atao hoe henatra aza!+
Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy ireo.
Ho tafintohina izy ireo rehefa manasazy azy ireo aho’,+ hoy i Jehovah.
-
-
Zefania 3:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Sahisahy ratsy ny mpaminaniny, sady mpamadika.+
-