FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 5:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Maminany lainga ny mpaminany,+

      Ary manampatra fahefana ny mpisorona.

      Dia tian’ny vahoakako erỳ izany!+

      Koa ahoana no hataonareo rehefa tonga ny farany?”

  • Jeremia 6:12-15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ho lasan’olon-kafa ny tranon’izy ireo

      Sy ny sahany ary ny vadiny.+

      Fa hanatsotra ny tanako hamely ny mponin’ilay tany aho”, hoy i Jehovah.

      13 “Samy maka tombony azo amin’ny tsy marina+ ny olona, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

      Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+

      14 Miezaka manasitrana ny ratran’ny* vahoakako izy ireo nefa ataony zara fa vita izany, ka hoy izy ireo:

      ‘Fiadanana! Fiadanana!’

      Nefa tsy misy fiadanana akory.+

      15 Mba menatra ve izy ireo noho ny zavatra maharikoriko ataony?

      Tsy menatra mihitsy izy ireo.

      Tsy hainy akory na dia ny atao hoe henatra aza!+

      Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy ireo.

      Ho tafintohina izy ireo rehefa manasazy azy ireo aho”, hoy i Jehovah.

  • Jeremia 27:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “‘“‘Koa aza mihaino an’ireo mpaminany, mpisikidy, mpanonofy, mpimasy, ary ireo mpilalao ody eo aminareo, izay milaza hoe: “Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona ianareo!”

  • Fitomaniana 2:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Diso sy tsy misy ilana azy ny fahitana hitan’ny mpaminaninao,+

      Ary tsy nahariharin’izy ireo ny fahadisoanao, nefa raha nanao an’izany izy ireo dia tsy ho lasa babo ianao.+

      Fa mbola diso sy mamitaka ihany ny fahitana nambarany taminao.+

  • Ezekiela 22:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Manarontsarona ny zavatra ataony anefa ny mpaminany ao aminao, hoatran’ny hoe manisy lalotra fotsy amin’ny rindrina. Mahita fahitana sandoka izy ireo,+ sady maminany lainga avy amin’ny sikidy, ka milaza hoe: “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony”, nefa i Jehovah tsy niteny an’izany akory.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara