FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 21:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Raha mividy mpanompolahy hebreo ianao,+ dia ho mpanompo mandritra ny enin-taona izy. Fa amin’ny taona fahafito kosa, dia hafahana izy ary tsy handoa na inona na inona.+

  • Levitikosy 25:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary hamasino ny taona faha-50, ka ataovy antso avo amin’ny mponina rehetra ao amin’ilay tany fa tonga ny fahafahana.+ Ho Jobily ho anareo izany, ka samy hahazo ny lovanareo indray ianareo ary samy hiverina any amin’ny fianakavianareo avy.+

  • Levitikosy 25:39-42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 “‘Aza terena hiasa hoatran’ny andevo ny rahalahinao izay miara-monina aminao,+ raha lasa mahantra ka voatery mivarotra ny tenany* aminao.+ 40 Ataovy toy ny mpikarama na toy ny mpiavy izy.+ Hiasa ao aminao izy mandra-pahatongan’ny taon-jobily. 41 Dia hiala ao aminao izy sy ny zanany,* ka hiverina any amin’ny fianakaviany. Hiverina any amin’ny lovan’ny razambeny izy.+ 42 Mpanompoko nentiko nivoaka avy tany Ejipta mantsy izy ireo.+ Tsy tokony hivarotra ny tenany hoatran’ny fivarotana andevo izy ireo.

  • Deoteronomia 15:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Raha nivarotra ny tenany taminao ny rahalahinao anankiray, na lehilahy hebreo izy na vehivavy hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia tokony hafahanao izy amin’ny taona fahafito.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara