-
2 Mpanjaka 24:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia nodimandry any amin’ny razambeny+ i Joiakima, ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
-
-
2 Tantara 36:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Lasa mpanjaka i Joiakina+ tamin’izy 18 taona, ary nanjaka telo volana sy folo andro tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy.+ 10 Rehefa niandoha ny taona,* dia nasain’i Nebokadnezara Mpanjaka nentina tany Babylona i Joiakina,+ niaraka tamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ Ary i Zedekia rahalahin-drain’i Joiakina no nataony mpanjakan’i Joda sy Jerosalema.+
-
-
Jeremia 22:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Izao no lazain’i Jehovah:
‘Soraty ho toy ny hoe tsy manan-janaka io lehilahy io,
Dia lehilahy tsy hahomby mihitsy mandritra ny androm-piainany.
Fa tsy hisy amin’ny taranany hahavita
Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy hanjaka ao Joda indray.’”+
-