-
Jeremia 40:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Raha mbola nisalasala teo i Jeremia hoe hiverina sa tsia, dia hoy i Nebozaradana: “Miverena any amin’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana.+ Izy no notendren’ny mpanjakan’i Babylona hifehy an’ireo tanànan’i Joda. Ary mijanòna miaraka aminy, miaraka amin’ny vahoaka. Na mandehana any amin’izay tianao haleha.”
Dia nanome azy anjara sakafo sy fanomezana ilay lehiben’ny mpiambina, ary namela azy handeha.
-
-
Jeremia 41:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 dia nitsangana i Ismaela zanak’i Netania sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka nasian’izy ireo tamin’ny sabatra i Gedalia zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Koa novonoin’i Ismaela ilay olona notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra an’ilay tany.
-