-
Jeremia 25:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nalaiko teny an-tanan’i Jehovah ilay kaopy dia nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan’i Jehovah ahy:+
-
-
Ezekiela 25:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Nankahala ny Israely foana ny Filistinina, ka nanao teti-dratsy hamaliana faty sy handringanana azy.+ 16 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanatsotra ny tanako hamely ny Filistinina+ aho, ka horinganiko ny Keretita,+ ary haripako ny mponina sisa any amoron-tsiraka.+
-
-
Zefania 2:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Fa tsy hisy hipetraka intsony ao Gaza,
Ary tsy hisy mponina ao Askelona.+
-