FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 28:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Nanafika an’ireo tanànan’i Sefela+ sy Negeba tany Joda koa ny Filistinina,+ ka azon’izy ireo i Beti-semesy,+ Aialona,+ Gederota, Soko sy ireo tanàna niankina taminy,* Timna+ sy ireo tanàna niankina taminy, ary Gimzo sy ireo tanàna niankina taminy. Dia nipetraka tao amin’ireo tanàna ireo ny Filistinina.

  • Isaia 9:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hampirisihin’i Jehovah ny fahavalon’i Rezina mba hanohitra azy,

      Ary hoentaniny hanao zavatra ny fahavalon’ny Israely,

      12 Dia i Syria avy any atsinanana sy ny Filistinina avy any andrefana.*+

      Hanokatra ny vavany mba handrapaka ny Israely izy ireo.+

      Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy,

      Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.+

  • Isaia 14:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Aza misy mifaly ny ao aminao, ry Filistia,

      Satria hoe tapaka ny tehin’ilay namely anao.

      Fa hisy bibilava misy poizina+ hipoitra avy amin’ilay menarana,+

      Ka ny taranany dia ho bibilava misy poizina* sady afaka misidina.

  • Jeremia 47:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Nampita hafatra tamin’i Jeremia mpaminany momba ny Filistinina+ i Jehovah, talohan’ny nandresen’i Farao an’i Gaza.

  • Joela 3:4-6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Dia sahinareo ve ny manao an’izany amiko,

      Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr’i Filistia rehetra?

      Te hamaly faty ahy angaha ianareo?

      Raha mamaly faty ahy ianareo,

      Dia havaliko aminareo* faran’izay haingana ny ataonareo.+

       5 Nalainareo mantsy ny volafotsiko sy ny volamenako,+

      Ary nentinareo tao amin’ny tempolinareo ny harenako sarobidy indrindra.

       6 Namidinareo tamin’ny Grika ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+

      Amin’izay izy ireo ho lasa lavitra ny tanindrazany.

  • Amosa 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Izao no tenin’i Jehovah:

      ‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Gaza,+ inefatra mihitsy aza.

      Nataony babo mantsy ny olona rehetra+ dia natolony an’i Edoma.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara