-
2 Tantara 21:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia nentanin’i Jehovah+ hanafika an’i Jorama ny Filistinina+ sy ny Arabo+ izay tany akaikin’ny Etiopianina. 17 Ary nanafika ny Joda izy ireo, ka niditra an-keriny tany. Dia nentin’izy ireo daholo ny fananana tao an-tranon’ny* mpanjaka+ sy ny vady aman-janany, ka i Joahaza*+ zanany faralahy sisa no navelany tao.
-
-
2 Tantara 28:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nanafika an’ireo tanànan’i Sefela+ sy Negeba tany Joda koa ny Filistinina,+ ka azon’izy ireo i Beti-semesy,+ Aialona,+ Gederota, Soko sy ireo tanàna niankina taminy,* Timna+ sy ireo tanàna niankina taminy, ary Gimzo sy ireo tanàna niankina taminy. Dia nipetraka tao amin’ireo tanàna ireo ny Filistinina.
-
-
Joela 3:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia sahinareo ve ny manao an’izany amiko,
Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr’i Filistia rehetra?
Te hamaly faty ahy angaha ianareo?
-
-
Joela 3:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Namidinareo tamin’ny Grika ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+
Amin’izay izy ireo ho lasa lavitra ny tanindrazany.
-