FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 23:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hoy koa izy: “Tsy hifaly intsony ianao,+

      Ry ilay ampijalina, ilay virjiny zanakavavin’i Sidona.

      Mandehana miampita ho any Kitima.+

      Tsy ho afaka hiala sasatra anefa ianao na dia rehefa any aza.”

  • Jeremia 47:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Fa tonga ilay andro handringanana ny Filistinina+ rehetra.

      Hesorina tsy ho ao Tyro+ sy Sidona+ ny sisa tavela amin’ireo nifanaraka taminy.

      Haringan’i Jehovah mantsy ny Filistinina,

      Dia izay sisa tavela avy any amin’ny nosy Kaftora.*+

  • Ezekiela 25:15-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Nankahala ny Israely foana ny Filistinina, ka nanao teti-dratsy hamaliana faty sy handringanana azy.+ 16 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanatsotra ny tanako hamely ny Filistinina+ aho, ka horinganiko ny Keretita,+ ary haripako ny mponina sisa any amoron-tsiraka.+ 17 Hataoko mahita faisana izy ireo rehefa mamaly faty azy aho, ka hanamparako ny hatezerako izy rehefa faiziko. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa mamaly ny nataony aho.”’”

  • Amosa 1:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Izao no tenin’i Jehovah:

      ‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Tyro,+ inefatra mihitsy aza.

      Nataony babo mantsy ny olona rehetra dia natolony an’i Edoma,

      Ary tsy tsaroany ny fifanekena nataon’ny mpirahalahy.+

      10 Dia handefasako afo ny mandan’i Tyro,

      Ka ho levon’ny afo ny tilikambony voaro mafy.’+

  • Zakaria 9:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Fanambarana:

      “Manameloka ny tany Hadraka ny tenin’i Jehovah,

      Ary i Damaskosy no kendreny.*+

      Fa mijery ny olombelona ny mason’i Jehovah,+

      Sady mijery ny foko rehetran’ny Israely.

       2 Melohiny koa i Hamata+ izay eo amin’ny sisin-taniny,

      Ary Tyro+ sy Sidona,+ fa mihevi-tena hoe hendry be.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara