-
Isaia 13:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Hataoko mangovitra àry ny lanitra,
Ary hihozongozona hiala amin’ny toerany ny tany,+
Satria misafoaka i Jehovah Tompon’ny tafika, amin’ny andro anamparany ny hatezerany.
-
-
Jeremia 50:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Ho tsiravina izay mpandalo mahita an’i Babylona,
Ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy.+
-
-
Jeremia 50:39, 40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Koa hiara-monina ny biby mipetraka any an-tany efitra sy ny biby minaonaona,*
Ary honina ao ny aotirisy.+
Tsy hisy hipetraka intsony mihitsy ao,
Ary tsy honenana intsony izy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.”+
40 “Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora+ ary ireo tanàna manodidina azy”,+ hoy i Jehovah, “no hanjo an’i Babylona. Tsy hisy hipetraka intsony ao, ary tsy hisy olona hanorim-ponenana.+
-