FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny fitaovana sasany tao an-tranon’i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.+

  • Ezra 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Navoakan’i Kyrosy Mpanjaka koa ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah, izay efa nalain’i Nebokadnezara avy tany Jerosalema sady nataony tao an-tranon’ny andriamaniny.+

  • Jeremia 51:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 “Narapak’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona aho.+

      Nataony very hevitra aho.

      Napetrany toy ny vilany tsy misy na inona na inona tavela aho.

      Toy ny bibilava ngezabe nitelina ahy izy.+

      Ny zavatra tsara nananako no namenoany ny kibony.

      Noroahiny* hiala teo amin’ny taniko aho.

  • Daniela 1:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nataony fahirano ilay tanàna.+ 2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara