FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 24:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tonga teo amin’ilay tanàna i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, raha mbola nanao fahirano azy io ny mpanompony.

  • 2 Mpanjaka 24:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia navoakan’i Nebokadnezara daholo ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka.+ Nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra nataon’i Solomona mpanjakan’ny Israely tao amin’ny tempolin’i Jehovah.+ Izay efa nolazain’i Jehovah mihitsy no nitranga.

  • 2 Tantara 36:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny fitaovana sasany tao an-tranon’i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.+

  • 2 Tantara 36:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ny andrianany.+

  • Ezra 6:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tokony haverina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy tao an-tranon’Andriamanitra, izay nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny tany Babylona.+ Amin’izay dia haverina amin’ny toerany ao amin’ny tempoly any Jerosalema ireny, dia hapetraka ao an-tranon’Andriamanitra.’+

  • Daniela 1:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nataony fahirano ilay tanàna.+ 2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+

  • Daniela 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Rehefa mamomamo iny i Belsazara, dia nanome baiko izy hoe hoentina eo aminy ny kaopy volamena sy volafotsy, izay nalain’i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema.+ Nasainy nentina teo izany mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny olona ambony, ary ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara