FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 25:13-16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nopotipotehin’ny Kaldeanina ireo andry varahina+ teo amin’ny tranon’i Jehovah, sy ireo kalesy,+ ary ilay Ranomasina varahina+ tao an-tranon’i Jehovah. Dia nentin’izy ireo tany Babylona ny varahina tamin’ireny.+ 14 Nalainy koa ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny famonoan-jiro, ny kaopy, ary ny fitaovana varahina rehetra nampiasaina tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly. 15 Nalain’ilay lehiben’ny mpiambina ny fitondrana afo sy ny vilia baolina, izay tena volamena+ sy tena volafotsy+ daholo. 16 Efa tsy voalanja intsony+ ny varahina tamin’ny fitaovana rehetra, izany hoe tamin’ny andry roa sy tamin’ilay Ranomasina ary tamin’ireo kalesy nataon’i Solomona ho an’ny tranon’i Jehovah.

  • Jeremia 27:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Izao mantsy no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika momba an’ireo andry,+ ny Ranomasina,*+ ireo kalesy,+ ary ny fitaovana sisa tavela ato amin’ity tanàna ity,

  • Jeremia 27:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 ‘“Hoentina any Babylona ireny+ ary hajanona any mandra-pahatongan’ny andro hahatsiarovako azy”, hoy i Jehovah. “Dia hoentiko miverina avy any ireny, ka haveriko eto amin’ity toerana ity.”’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara