FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 7:15-20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nandrendrika varahina izy hanaovana ny andry roa:+ 18 hakiho avy ny haavony, ary tady 12 hakiho vao nahodidina* ny andry tsirairay.+ 16 Ary nanao loha andry roa tamin’ny varahina narendrika izy, mba hatao teo an-tampon’ireo andry. Dimy hakiho ny haavon’ny loha andry iray, ary dimy hakiho koa ny haavon’ny iray. 17 Nisy haingony hoatran’ny harato teo amin’ny loha andry tsirairay teo an-tampon’ireo andry. Rojo norarina no nanaovana an’ilay haingony.+ Fito no teo amin’ny loha andry iray, ary fito koa no teo amin’ny iray. 18 Ary nanao ampongabendanitra roa andalana manodidina ny harato izy mba handrakofana ny loha andry, izay teo an-tampon’ireo andry. Nataony toy izany ireo loha andry roa. 19 Nitovy tamin’ny voninkazo lisy ireo loha andry teo an-tampon’ireo andry, teo akaikin’ny tilikambo fidirana. Efatra hakiho ny haavon’ireo voninkazo. 20 Teo an-tampon’ny andry roa no nisy an’ireo ampahany tamin’ny loha andry ireo, izany hoe teo ambonin’ilay faritra mivohitra voahodidin’ireo harato. Nisy andalana ampongabendanitra nanodidina ny loha andry tsirairay, ary 200 ny isan’ireo ampongabendanitra ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara