-
Josoa 23:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Koa manàna herim-po* hankatoavana sy hanarahana an’izay rehetra voasoratra ao amin’ny boky misy ny Lalàn’i Mosesy,+ ka aza miala amin’izany mihitsy, na mivily miankavanana na miankavia.+ 7 Ary aza mifanerasera mihitsy amin’ireo firenena+ mbola tavela eo aminareo ireo. Aza tononina na dia ny anaran’ny andriamaniny aza,+ ary aza mianiana amin’ny anaran’izy ireny. Aza manompo an’ireny mihitsy na miankohoka aminy.+
-
-
Jeremia 2:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Efa nisy firenena nanolo ny andriamaniny tamin’izay tsy andriamanitra ve?
Ny vahoakako anefa nanakalo ny voninahitro tamin’izay tsy misy ilana azy.+
-
-
Jeremia 12:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Ary ho tsara toerana eo amin’ny vahoakako izy ireo, raha tena mianatra ny fanaon’ny vahoakako sy mianiana amin’ny anarako hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah!’, toy ny nampianaran’izy ireo ny vahoakako hianiana tamin’ny anaran’i Bala.
-
-
Zefania 1:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Hanatsotra ny tanako aho mba hamely an’i Joda
Sy ny mponina rehetra ao Jerosalema.
Hofoanako tsy hisy ao intsony izay sisa* tavela amin’i Bala,+
Sy ny anaran’ny mpisoron’ny andriamani-kafa, ary ny anaran’ny mpisorona hafa.+
5 Haringako koa izay mankeny an-tampon-trano mba hiankohoka amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+
Haringako izay miankohoka ka mianiana fa tsy hivadika amin’i Jehovah,+
Nefa koa mianiana hoe tsy hivadika amin’i Malkama,+
-