-
Isaia 39:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Tamin’izany andro izany, dia nandefa taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia+ i Merodaka-baladana mpanjakan’i Babylona, zanak’i Baladana. Henony mantsy hoe narary i Hezekia ary efa sitrana.+ 2 Faly nandray azy ireo* i Hezekia, ka nasehony azy ny tao amin’ny trano fitehirizan-karenany,+ dia ny volafotsy, ny volamena, ny menaka balsama, ny menaka sarobidy hafa, ny fitaovam-piadiany rehetra, ary izay rehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany. Tsy nisy tsy nasehon’i Hezekia azy ny tao an-tranony* sy ny tao amin’ny fanjakany manontolo.
-