FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 5:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Nanda an’i Jehovah izy ireo, ary izao foana no lazainy:

      ‘Tsy hanao na inona na inona Izy.*+

      Tsy hisy loza hanjo anay.

      Tsy hahita ady* izahay na ho tratran’ny mosary.’+

      13 Zava-poana toy ny rivotra no lazain’ny mpaminany,

      Ary tsy ao aminy ny teniko.*

      Ho zava-poana hoatran’ny teniny ihany izy ireo!”

  • Jeremia 23:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Izao àry no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika mba hanamelohana an’ireo mpaminany ireo:

      “Hampihinaniko zavamaniry mangidy be izy ireo,

      Ary hampisotroiko rano misy poizina.+

      Fa miely eran’ilay tany ny fivadiham-pinoana, noho ny ataon’ireo mpaminanin’i Jerosalema.”

  • Ezekiela 12:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Fa tsy hisy fahitana sandoka intsony eo amin’ny taranak’Israely, sady tsy hisy mpanao sikidy mamitaka.*+

  • Ezekiela 13:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary ny tanako no hamely an’ireo mpaminany mahita fahitana tsy marina sady maminany lainga.+ Tsy ho anisan’ny olona tena akaiky ahy izy ireo, sady tsy ho voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny taranak’Israely, ary tsy hiverina any amin’ny tanin’ny Israely. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara