FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Fa nandrehitra afo ny hatezerako.+

      Dia hirehitra hatrany amin’ny Fasana* ilay afo,+

      Ka handevona ny tany sy ny vokatra eo aminy,

      Sady hampirehitra ny fototry ny tendrombohitra.

  • Isaia 42:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Iza no nanolotra an’i Jakoba tamin’ny mpandroba,

      Sy nanolotra an’i Israely tamin’ny mpangalatra?

      Tsy i Jehovah ve? Nanota taminy mantsy izy ireo,

      Sady tsy nety nanaraka an’izay natorony,

      Ary tsy nankatò ny lalàny.*+

      25 Nanampatra ny hatezerany taminy àry Izy,

      Ary nisafoaka mafy sady namela azy hijalijaly tao anatin’ny ady mangotraka.+

      Nandevona an’izay rehetra nanodidina azy izany ady izany, nefa tsy noraharahiany.+

      Nandoro azy ilay izy, nefa tsy noheveriny ho zava-dehibe.+

  • Jeremia 17:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Hafoinao an-tsitrapo ny lova nomeko anao.+

      Ary hasaiko manompo ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao,+

      Satria narehitrao toy ny afo ny fahatezerako.*+

      Dia hirehitra mandrakizay izany.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara