FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 21:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny be dia be i Manase ka nofenoiny ra i Jerosalema.+ Efa nahatonga ny Joda hanota koa izy, ka nanjary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy ireo.

  • Isaia 59:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Mihazakazaka hanao ratsy ny tongony,

      Ary maika handatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo.+

      Zava-dratsy no eritreretiny,

      Ary fandringanana sy fandravana no eny amin’ny lalany.+

  • Jeremia 2:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Na ny akanjonao aza tasin’ny ran’ireo olo-mahantra tsy manan-tsiny,+

      Nefa tsy hitako namaky ny tranonao izy ireo.

      Feno ny rany ny akanjonao.+

  • Fitomaniana 4:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Nitranga izany noho ny fahotan’ny mpaminaniny sy ny fahadisoan’ny mpisorony,+

      Izay nandatsaka ny ran’ireo olo-marina teo anivony.+

  • Matio 23:34, 35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Noho izany, dia maniraka mpaminany+ sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso+ ho any aminareo aho. Ny sasany hovonoinareo ho faty+ sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo+ ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo+ isan-tanàna. 35 Dia amin’izay hivaly aminareo daholo ny ran’ny olo-marina nalatsaka teto an-tany, hatramin’ny ran’i Abela+ ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara