-
Deoteronomia 28:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Hataon’i Jehovah resin’ny fahavalonao ianao.+ Lalana iray no handehananao rehefa hanafika azy ireo ianao, fa lalana fito kosa no handosiranao azy. Hihorohoro ny fanjakana rehetra eran-tany rehefa mahita an’izay manjo anao.+ 26 Ho lasa sakafon’ny voro-manidina rehetra eny amin’ny lanitra sy ny bibidia ny fatinao, nefa tsy hisy hampatahotra an’ireny biby ireny ka hampandositra azy.+
-
-
Salamo 79:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nomen’izy ireo ho sakafon’ny voro-manidina ny fatin’ny mpanomponao,
Ary ho an’ny bibidia ny nofon’ireo tsy mivadika aminao.+
-
-
Jeremia 7:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Ho lasa sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’ity vahoaka ity. Ary tsy hisy hampatahotra an’ireny biby ireny ka hampandositra azy.+
-