-
Mpitsara 10:13-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Fa ianareo kosa niala tamiko ka nanompo andriamani-kafa.+ Noho izany, dia tsy hamonjy anareo intsony aho.+ 14 Mandehana miantso vonjy any amin’ireo andriamanitra nofidinareo.+ Ireny asaina mamonjy anareo amin’izao manjo anareo izao!”+ 15 Hoy anefa ny Israelita tamin’i Jehovah: “Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay hitanao fa mety. Fa mba vonjeo re izahay amin’ity indray mandeha ity fotsiny e!”
-
-
Salamo 78:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Isaky ny nandringana ny sasany taminy anefa izy, dia nitady azy izy ireo;+
Niverina izy ireo ary nitady an’Andriamanitra;
-
Isaia 26:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Jehovah ô, nitodika tany aminao izy ireo tao anatin’ny fahoriany.
Namboraka ny tao am-pony izy ireo rehefa nibitsibitsika nivavaka, tamin’izy nofaizinao.+
-
-
-