-
Jeremia 49:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
49 Izao no lazain’i Jehovah momba ny Amonita:+
“Tsy manan-janaka lahy angaha ny Israely?
Tsy manana mpandova angaha izy?
Koa nahoana no alain’i Malkama+ ny tanin’i Gada?+
Ary nahoana ny vahoakany no mipetraka ao amin’ireo tanànan’ny Israely?”
2 “‘Koa henoy izao!’, hoy i Jehovah. ‘Ho avy ny andro
Handefasako feo fanairana amin’ny ady,* ka hataoko mandre an’izany i Raba+ tanànan’ny Amonita.+
Ho lasa dongon-tany ngazana izy,
Ary hodorana ireo tanàna miankina aminy.’*
‘Dia halain’ny Israely ny tanin’ireo naka ny taniny’,+ hoy i Jehovah.
-