-
Jeremia 50:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “Amin’izany andro sy fotoana izany”, hoy i Jehovah,
“Dia hokarohina ny heloka vitan’ny Israely
Nefa tsy hisy,
Ary hokarohina ny fahotan’ny Joda nefa tsy ho hita,
Fa hamela ny helok’ireo navelako ho velona aho.”+
-
-
Hebreo 8:10-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “‘Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, aorian’izany andro izany’, hoy i Jehovah:* ‘Hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony.+ Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.+
11 “‘Samy tsy hampianatra ny mpiray firenena aminy sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: “Fantaro i Jehovah!”* Hahafantatra ahy mantsy izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. 12 Fa hamindrako fo izy ireo na dia nanao ratsy aza, ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany.’”+
-
-
Hebreo 10:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Hoy koa ny fanahy masina avy eo: “Ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany sy ny fandikan-dalàna nataony.”+
-