FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 34:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 “Hihosin-dra eny amin’ny lanitra ny sabatro.+

      Hidina hampihatra didim-pitsarana amin’i Edoma izy io,+

      Ka hamely ny olona efa natokako haringana.

  • Ezekiela 25:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanatsotra ny tanako hamely an’i Edoma koa aho, ka horinganiko ny olona sy ny biby fiompy ao, ary hataoko lasa tsy misy mponina izy.+ Dia ho fatin’ny sabatra ny olona hatrany Temana ka hatrany Dedana.+

  • Ezekiela 35:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Faly erỳ ianao rehefa lasa tsy nisy mponina ny lovan’ny taranak’Israely, ka hataoko hoatr’izany koa ianao.+ Ho rava tanteraka ianao, ry faritra be tendrombohitr’i Seira, dia i Edoma manontolo!+ Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.’”

  • Amosa 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Izao no tenin’i Jehovah:

      ‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Edoma,+ inefatra mihitsy aza.

      Nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra mantsy izy,+

      Sady tsy nety namindra fo mihitsy.

      Tezitra izy ka mamiravira azy ireo foana,

      Ary mbola tezitra be amin’izy ireo foana.+

  • Obadia 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Tsy tokony ho niditra teo am-bavahadin’ny vahoakako ianao, tamin’ny andro nahitany loza.+

      Tsy tokony ho nifaly tamin’izay nanjo azy ianao, tamin’ny andro nahitany loza,

      Ary tsy tokony ho naka ny harenany ianao, tamin’ny andro nahitany loza.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara