-
Ezekiela 25:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Namaly faty i Edoma ka nasiany ny taranak’i Joda. Nanao fahadisoana lehibe izy rehefa namaly faty an’ireo.+ 13 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanatsotra ny tanako hamely an’i Edoma koa aho, ka horinganiko ny olona sy ny biby fiompy ao, ary hataoko lasa tsy misy mponina izy.+ Dia ho fatin’ny sabatra ny olona hatrany Temana ka hatrany Dedana.+
-
-
Ezekiela 36:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’izy ireny: ‘Tena hafana fo+ aho rehefa manameloka an’ireo sisa tsy maty avy any amin’ny firenena, sy manameloka an’i Edoma manontolo, izay faly be sy nanesoeso+ daholo rehefa nilaza fa efa lasany ny taniko. Nanao an’izany izy ireo satria te haka ny kijana ao sy handroba an’ilay tany.’”’+
-