-
Jeremia 4:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Rava ianao izao ka inona no hataonao?
Efa zatra nitafy ravin-damba mena midorehitra ianao,
Ary efa zatra niravaka volamena,
Sy nanao manjamaso mainty mba hanalehibeazana ny masonao.
-
-
Ezekiela 16:37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Angoniko daholo àry ny lehilahy niarahanao izay nomenao fahafinaretana, izany hoe izay rehetra tianao sy nankahalainao. Hangoniko avy eny amin’ny manodidina rehetra eny izy ireo mba hanohitra anao. Dia haharihariko amin’izy ireo ny fitanjahanao, ka ho hitany hoe mitanjaka tanteraka+ ianao.
-