FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 54:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Aza matahotra+ fa tsy ho menatra ianao.+

      Aza mieritreritra hoe afa-baraka ianao, fa tsy ho diso fanantenana ianao.

      Hohadinoinao mantsy ny henatrao tamin’ny fahatanoranao,

      Ary tsy hotsaroanao intsony ilay ianao afa-baraka satria hoe maty vady.”

  • Isaia 60:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ho tonga hiankohoka eo anatrehanao ny zanak’ireo nampijaly anao.

      Hiankohoka eo an-tongotrao daholo koa izay manambanimbany anao.

      Ary hantsoin’izy ireo hoe tanànan’i Jehovah ianao,

      Dia Zionan’Ilay Masin’ny Israely.+

  • Mika 7:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Aza mifaly amin’izay manjo ahy, ry fahavaloko,

      Fa na lavo aza aho, dia mbola hiarina ihany,

      Ary na ao anaty haizina aza aho, dia i Jehovah no hanazava ahy.

  • Zefania 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 “Efa henoko nanala baraka ny vahoakako i Moaba,+ ary nanambanimbany azy ireo ny Amonita,+

      Ka nanesoeso azy sy nirehareha hoe haka ny taniny.+

  • Zefania 3:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Hamely an’izay rehetra mampijaly anao aho,+ amin’izany fotoana izany.

      Dia hovonjeko ilay vahoaka nandringa,+

      Ary hangoniko ilay naparitaka.+

      Hataoko izay hahatonga azy hoderaina sy halaza*

      Manerana an’ilay tany nanalam-baraka azy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara