-
Isaia 34:6-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Manana sabatra i Jehovah, dia ho feno ra ilay izy,
Fa manao sorona ao Bozra i Jehovah,
Ka be dia be no aripany ao Edoma.+
7 Hiara-midina amin’ireny ny ombidia,
Ary ny vantotr’ombilahy hiaraka amin’ireo matanjaka.
Ho vonton-dra ny tanin’izy ireo,
Ary ho vonto menaka ny vovo-taniny.”
-
-
Jeremia 46:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “An’ilay Tompo Fara Tampony, dia i Jehovah Tompon’ny tafika, izany andro izany, ho andro famaliana mba hamaliany an’ireo fahavalony. Hihinana sy ho voky ary hisotro ny ran’izy ireo ny sabatra, ka ho afa-ketaheta. Fa misy sorona* ataon’i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony ao amin’ilay tany any avaratra, eo akaikin’ny Reniranon’i Eofrata.+
-
-
Zefania 1:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Mangìna eo anatrehan’i Jehovah Tompo Fara Tampony, fa akaiky ny andron’i Jehovah!+
Efa nanomana sorona i Jehovah, ary efa nanamasina an’ireo nasainy.
-