-
Ezekiela 45:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 “‘Rehefa mizara an’ilay tany ho lovanareo ianareo,+ dia tokony hisy ampahany hatolotrareo ho fanomezana ho an’i Jehovah.+ Ho masina io ampahany io. Tokony ho 25 000 hakiho* ny lavany, ary 10 000 hakiho ny sakany.+ Ho ampahany masina izy manontolo.* 2 Hakana efamira io faritra io mba hanaovana toerana masina, ka 500 hakiho avy ny lafiny efatra.*+ Ary hisy kijana mirefy 50 hakiho avy ny lafiny efatra.+
-