FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ezekiela 37:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Tsy handoto ny tenany amin’ny sampiny maharikoriko* intsony izy ireo, na handoto ny tenany amin’ny zavatra maharikoriko sy ny fandikan-dalàna rehetra fanaony.+ Fa hovonjeko izy ireo ho afaka amin’ireny zava-dratsy rehetra nahatonga azy hanota ireny, ka hodioviko. Ho vahoakako izy ireo ary izaho mihitsy no ho Andriamaniny.+

  • Ezekiela 37:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “‘“Dia hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho,+ ka ho fifanekena mandrakizay izany. Hapetrako ao amin’ny taniny izy ireo, ary hataoko lasa maro be.+ Dia hataoko eo aminy mandrakizay ny toerako masina.

  • 2 Korintianina 6:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary inona no ifandraisan’ny tempolin’Andriamanitra sy ny sampy?+ Tempolin’ilay Andriamanitra velona+ mantsy isika, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: “Honina eo amin’izy ireo aho+ sady ho eo aminy, dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara