15 “‘Hanatona ahy kosa ny Levita mpisorona taranak’i Zadoka+ mba hanompo ahy. Niandraikitra ny toerako masina mantsy izy ireo rehefa nanalavitra ahy ny Israelita.+ Dia hijoro eo anatrehako izy ireo mba hanolotra ny tavin-kena+ sy ny ra’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
11 Ho an’ny mpisorona efa nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka+ izany, ho an’ireo nanao ny andraikiny tamin’ny fanompoana ahy, fa tsy mba nanaraka lalan-diso, rehefa nanaraka lalan-diso+ ny Israelita sy ny Levita.