-
Jeremia 46:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hosaziko i Amona+ ao No,*+ sy Farao, sy Ejipta, sy ny andriamaniny,+ ary ny mpanjakany, izany hoe i Farao sy izay rehetra matoky azy.’+
26 “‘Ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady hamono azy* izy ireo, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona+ sy ny mpanompony. Hisy mponina toy ny taloha anefa i Ejipta aorian’izay’, hoy i Jehovah.+
-