-
Daniela 1:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary tamin’izay rehetra nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany hoe nanana fahendrena sy fahiratan-tsaina avo folo heny izy ireo, raha oharina amin’ny mpisorona rehetra mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty,+ eran’ny fanjakany.
-
-
Daniela 5:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Fa marani-tsaina tsy misy hoatr’izany i Daniela, izay nantsoin’ny mpanjaka hoe Beltesazara,+ ary manam-pahalalana sy lalin-tsaina, ka mahay milaza ny dikan’ny nofy, sady mahavita manazava ny dikan’ny teny saro-pantarina sy mahavaha olana saro-bahana.*+ Dia aleo izy hampanantsoina fa holazainy aminao ny dikan’io soratra io.”
-